Home > Actus > DISTRICT DE MAROANTSETRA

Mitarika fiofanana mandritra ny 06 andro nanomboka ny sabotsy 15 Mars ary hifarana ny zoma 21 Mars, mahakasika ny asany amin’ny ankapobeny ireo Ben’ny tanàna ato anatin’ny distrikan’i Maroantsetra miaraka amin’ny filohan’ny filan-kevitra kominaly , ny STC (Secrétaire Trésorier Comptable) eo anivon’ny kaominina ary ireo delegem-panjakana na ny Chef d’Arrondissement Administrative .

Mizara 03 karazany ny fiofanana omena azy ireto dia ny mahakasika ny

✓Fitantanan-draharaha amin’ny ankapobeny na ny Administrations générale

✓Fitantanana ara-bola na ny Administrations financière

✓Ny resaka fiarovana ny tontolo iainana .

Tompon’antoka tamin’ity fiofanana ity ny Lehiben’ny distrikan’i Maroantsetra miaraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo parlemantera roa tonta dia Filoha lefitry ny Antenimierandoholona misahana ny tapany avaratra sy solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy teto Maroantsetra.

Izao no natao mba hanànana Ben’ny Tanàna mahômby hafaka hitrandraka loharanom-bola sy mahay mitantana ny ampelatanana mba hisian’ny fampandroasoana.

Mpampiofana samihafa avy any amin’ny faritra Analanjirofo sy avy amin’ny centrale miampy ireo servisy misy eto Maroantsetra toy ny trésor , ny centre fiscale , CNaPS , sns no fifandimby mandritra io 06 andro io.

Mpiara-miombon’antoka namatsy vola an’ity fiofanana ity ny

√WCS (Wildlife Conservation Society) sy ny

✓MNP (Madagascar National Parks)