Home > Actus > 𝗔π—₯𝗒𝗩𝗔𝗑𝗔 π—”π— π—œπ—‘β€™π—‘π—¬ π—™π—œπ—’π—§π—¦π—”π—›π—”π—‘β€™π—‘π—¬ 𝗩𝗔𝗧𝗒 𝗦𝗬 𝗧𝗔𝗑𝗬 𝗔π—₯𝗬 𝗧π—₯𝗔𝗑𝗒 𝗑𝗬 π—”π—œπ—‘β€™π—œπ—₯π—˜π—’ π— π—£π—’π—‘π—œπ—‘π—” π—˜π—‘π—¬ π—”π— π—œπ—‘β€™π—‘π—¬ π—©π—’π—›π—œπ—§π—₯β€™π—œ π— π—”π—‘π—π—”π—žπ—”π— π—œπ—”π——π—”π—‘π—”

29 π™³πšŽπšœπšŠπš–πš‹πš›πšŠ 2025 – πš…πš˜πš‘πš’πšπš›β€™πš’ π™ΌπšŠπš—πš“πšŠπš”πšŠπš–πš’πšŠπšπšŠπš—πšŠ π™°πš—πšπšŠπš—πšŠπš—πšŠπš›πš’πšŸπš˜

Mbola mitohy ny rotsak’orana, ahiana hatrany ny fiotsahan’ny vato sy tany ary trano izay amoizana ain’olona maro isan-taona eny amin’ny Vohitr’i Manjakamiadana, mitohy ihany koa arak’ izany ny asa fanentanana izay efa natomboka ny Asabotsy lasa teo ho fiarovana ny ain’ireo mponina.

πŸ’¬ β€œπ’―π“ˆπ“Ž π“‚π’Ύπ“ˆπ“Ž π“ƒπ“Ž 𝒢𝒾𝓃𝒢 π’Άπ’»β„΄π’½π“Žβ€ no tanjona sy vina iombonan’izao hetsika izao.

🎯 Nidina ifotony, isan-trano teny amin’ireo fokontany miisa10 tandindomin-doza ireo mpilatsaka an-tsitrapo anio tolak’andro, taorian’ny fampiofanana sy fanomezana toromarika notanterahina anio maraina. Nanao asa fanentanana sy fanangonana antontan’isa teny amin’ireo mponina monina eny amin’ny toerana ahiana hiotsahan’ny vato na tany na trano izy ireo.

🀝 Nandray anjara mavitrika tamin’ny fanatanterahana ny asa, ary nanao ny ainy tsy ho zavatra ho fanavotana ireo mpiray tanindrazana ireo mpilatsaka an-tsitrapo 40 mahery, ahitana:

Croix-Rouge Malagasy

-Scouts eto Madagasikara

Niaraka tamin’ny:

-DISTRIKA TANA II, DISTRIKA TANA IV, CUA, BNGRC, ELS EQUIPE LOCALE DE SECOURS, Police Municipale

πŸ”΄ Manamafy hatrany ny BNGRC fa mitohy ny ezaka iombonana hiarovana ny ain’ny vahoaka sy hampihenana ny loza mety hitranga, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny rotsak’orana izao.

πŸ‘ŒMarihina fa mbola hitohy izany hetsika izany rahampitso Talata 30 Desambra 2025.

πŸ“ Fokontany voakasiky ny hetsika:

Tsarafaritra, Tsimialonjafy, Ampamarinana, Ankadilalana, Manjakamiadana, Ambohitsiroa, Ankazotokana, Andafiavaratra, Andohamandry, Ambohipotsy