Home > Actus > ๐™‰๐™ž๐™จ๐™–๐™ฃ๐™ฉ๐™–๐™ฉ๐™ง๐™– ๐™ฃ๐™ฎ ๐™›๐™ž๐™จ๐™ค๐™ง๐™–๐™ฉ๐™–๐™ฃ๐™– ๐™–๐™ฃ๐™–๐™ง๐™–๐™ฃ๐™– ๐™—๐™ž๐™ค๐™ข๐™š๐™ฉ๐™ง๐™ž๐™ ๐™– ๐™ฃ๐™ฎ ๐™๐™ž๐™ก๐™ค๐™๐™–๐™ฃ’๐™ฃ๐™ฎ ๐™๐™–๐™ฃ๐™–๐™ซ๐™–๐™ค๐™ฏ๐™–๐™ฃ๐™– ๐™ฃ๐™ฎ ๐™๐™š๐™ฅ๐™ค๐™—๐™ก๐™ž๐™ ๐™–๐™ฃ’๐™ž ๐™ˆ๐™–๐™™๐™–๐™œ๐™–๐™จ๐™ž๐™ ๐™–๐™ง๐™–

๐™ธ๐šŠ๐šŸ๐š˜๐š•๐š˜๐š‘๐šŠ, ๐Ÿธ๐Ÿฝ ๐š“๐šŠ๐š—๐š˜๐šŠ๐š›๐šข ๐Ÿธ๐Ÿถ๐Ÿธ๐Ÿผ.

โ€ŽNatomboka amin’ny fomba ofisialy androany teo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kรดlรดnely RANDRIANIRINA Michaรซl, ny hetsika fisoratana anarana biometrika ho an’ny olom-pirenena 18 taona no ho mihoatra.

โ€Ž

โ€ŽSantionany amin’ny tanjona kendrena amin’ity hetsika ity ny fiantohana ny zon’ny tsirairay hanana fahiziana ara-dalร na, tokana sy voaaro, ny fanamorร na ny fitantanan-draharaha sy ny fisitrahana ny tolo-draharaham-panjakana amin’ny sehatra rehetra, ny fananana angon-drakitra nasionaly azo antoka.

โ€Ž

โ€ŽKoa nanentana ny Malagasy rehetra ny Filoham-panjakana mba hiroso am-pahatokiana amin’ny fisoratana anarana biometrika satria tombontsoan’ny tsirairay sy an’i Madagasikara no kendrena.

โ€Ž

โ€Žย ยป Manomboka amiko, manomboka aminao ny fanavaozanaย ยป.