Home > Actus > π—₯π—œπ—©π—’π——π—’π—­π—” π—™π—¬π—§π—œπ—” : π— π—”π—œπ—žπ—” 𝗑𝗬 π—™π—œπ—”π—›π—œπ—”π—‘π—” 𝗑𝗬 𝗠𝗔𝗛𝗔 π—’π—Ÿπ—’π—‘π—” 𝗦𝗬 𝗑𝗬 𝗙𝗔𝗑𝗔π—₯π—˜π—‘π—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—¦π—œπ— π—•π—”

π™°πš•πšŠπš‘πšŠπšπš’ 01 π™΅πšŽπš‹πš›πš˜πšŠπš›πš’ 2026 – π™°πšŸπšŠπš›πšŠπšπš›β€™π™°πš—πšπšŠπš—πš’πš–πš˜πš›πšŠ

Miakatra ny tarehimarika amin’ny fahavoazana napetrak’ilay rivodoza Fytia. Distrika 15 anatin’ny faritra 4 (Analamanga, Boeny, Melaky, Sofia) no nitondra faisana.

↗️ Niakatra ho 7202 ny isan’ireo olona traboina na fianakaviana 2224 tao anatin’ny 2 andro monja. Manoloana izay dia nisy ny dinik’asa teo amin’ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa RAKOTONANDRASANA Hanitra Velonjara Tiaray amin’ny maha Minisitra mpiahy ny BNGRC azy sy ny Birao Nasionaly misahana ny fitanantanana ny tandindonindoza sy ny loza hametrahana ny paikady matotra amin’ny fanangonana sy fanamarinana ny vaovao indrindra ny antontanisa.

Hatreto mbola tsy misy ny namoy ny ainy, iray kosa no fantatra fa tsy hita popoka, ary 5 no naratra