Home > Actus > ๐— ๐—œ๐—”๐—ฅ๐—”-๐— ๐—œ๐—˜๐—ก๐—ง๐—”๐—ก๐—” ๐—›๐—ข ๐—™๐—”๐— ๐—ข๐—ก๐—๐—˜๐—ก๐—” ๐—ฆ๐—ฌ ๐—™๐—œ๐—ง๐—ฆ๐—œ๐—ก๐—๐—ข๐—ฉ๐—”๐—ก๐—” ๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ข ๐—ง๐—ฅ๐—”-๐——๐—ข๐—ญ๐—” ๐—˜๐—ง๐—ข ๐—”๐— ๐—œ๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—ฅ๐—œ๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—”๐—ก๐—”๐—Ÿ๐—”๐— ๐—”๐—ก๐—š๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—•๐—ก๐—š๐—ฅ๐—– ๐—ฆ๐—ฌ ๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ข ๐—ฅ๐—”๐—™๐—œ-๐—ฃ๐—”๐—ก๐—๐—”๐—ž๐—”๐—ก๐—”

๐™ฐ๐š•๐šŠ๐š๐šœ๐š’๐š—๐šŠ๐š’๐š—๐šข 2 ๐™ต๐šŽ๐š‹๐š›๐š˜๐šŠ๐š›๐šข 2026 โ€“ ๐™ฑ๐™ฝ๐™ถ๐š๐™ฒ ๐™ฐ๐šŸ๐šŠ๐š›๐šŠ๐š๐š›โ€™๐™ฐ๐š—๐š๐šŠ๐š—๐š’๐š–๐š˜๐š›๐šŠ

๐Ÿค Manohy miara-miasa am-pirahalahiana sy am-pandraisana andraikitra feno ireo rafi-panjakana sy ireo mpiara-miombonโ€™antoka rehetra, ho famaliana haingana sy mahomby ny filร nโ€™ny mponina. Nifantoka taminโ€™ny fandaminana sy ny fanapahan-kevitra ary ny fitsinjarana andraikitra ny fivoriana, mba hanamafisana ny fandrindrana ny asa sy hisorohana ny fifanitsahana andraikitra, araka ny zava-misy sy ny filร na isaky ny distrika, manoloana ny voka-dratsinโ€™ny fandalovanโ€™ny rivo-doza FYTIA.

๐Ÿ›ก๏ธ Nohamafisina manokana ny maha-zava-dehibe ny fitsinjovana ny maha-olona, ho fiarovana sy fanavotana ireo mpiray tanindrazana niharan-doza. Anisanโ€™ny asa laharam-pahamehana nodinihina ny famatsiana sakafo, ny fampiasana motopompes, ny fametrahana ireo ekipa mpitsabo sy ekipa vonjy taitra, ary ny fandaminana ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.

โœ…๏ธ Notarihin-dRamatoa Maรฎtre Hanitra RAZAFIMANANTSOA Minisi-panjakana misahana ny fanavaozana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika ny fivoriana, niarahana taminโ€™ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, Minisitry ny Fampandrosoana nomerika, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra, Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina. Natrehinโ€™ny Benโ€™ny Tanร nanโ€™Antananarivo Renivohitra, Lehibenโ€™ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, Lehibenโ€™ny Prefektiora, Lehibenโ€™ny Distrika Antananarivo I, II, III, IV, V, VI, ireo solombavambahoaka, ny BNGRC, ary ireo andrim-panjakana sy ireo rantsa-mangaika rehetra voakasikโ€™izany.

๐Ÿšจ Nojerena ihany koa ny lafiny ara-pahasalamana, ka tafiditra ao anatinโ€™izany ny fepetra sy ny fandaminana ho fiarovana ny mponina manoloana ny valanโ€™aretina Mpox, sy ny fisorohana ny mety ho fiparitahanโ€™izany.