Home > Actus > π—™π—œπ—’π— π—”π—‘π—”π—‘π—” π— π—”π—‘π—’π—Ÿπ—’π—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—™π—”π—›π—”π—§π—’π—‘π—šπ—”π—©π—”π—‘’π—œπ—Ÿπ—”π—¬ π—₯π—œπ—©π—’π——π—’π—­π—” π—šπ—˜π—­π—”π—‘π—œ| π—‘π—œπ—©π—’π—₯𝗬 𝗑𝗬 𝗖π—₯π—œπ—– .

π™°πš•πšŠπš‘πšŠπšπš’ 08 π™΅πšŽπš‹πš›πš˜πšŠπš›πš’ 2026 , π™±π™½π™Άπšπ™² π™°πšŸπšŠπšπš›’π™°πš—πšπšŠπš—πš’πš–πš˜πš›πšŠ .

Ao anatin’ny fiomanana manoloana ny fahatongavan’ny rivodoza GEZANI, nisy ny fivoriana niarahana tamin’ireo mpikambana ao amin’ny CRIC nasiΓ΄naly, notarihin’ny Tale Jeneralin’ny BNGRC, ny Jeneraly RAMANANTSOA Gabriel, ho fanamafisana ny fandrindrana ireo sy paikady ary ny fandraisana andraikitra manoloana ireo fepetra noraisina miaraka amin’ireo manampahefana eny ifotony sy ireo mpiara-miombon’antoka.

Araka ny tatitra nentin’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, dia mety hiditra eto amin’ny Nosy any amin’ny faritra Analanjirofo any ny Talata 10 Febroary ny rivodoza GEZANI, ary mety hivoaka an-tanety ny Alarobia 11 Febroary any amin’ny faritra Melaky .Hitondra rotsak’orana betsaka ity rivodoza ity sy mety hisy ny fiakaran’ny ranomasina eny amin’ny morontsiraka sy ny tondradrano .

Manoloana izany dia efa nandray fepetra ny BNGRC , anisan’izany ny fametrahana mialoha ny tahirin-tsakafo sy fitaovana, ary ny fandefasana ekipa hanamafy ny efa misy any amin’ireo faritra vinavinaina ho voakasiky ny fandalovan’ny rivodoza GEZANI .

Mitohy ny fiomanana sy ny fiaraha-mientana ho fiarovana ny mponina.