Home > Actus > ๐—™๐—œ๐—ข๐— ๐—”๐—ก๐—”๐—ก๐—” ๐— ๐—œ๐—”๐—Ÿ๐—ข๐—›๐—”๐—ก’๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—›๐—”๐—ง๐—ข๐—ก๐—š๐—”๐—ฉ๐—”๐—ก’๐—œ๐—Ÿ๐—”๐—ฌ ๐—ฅ๐—œ๐—ฉ๐—ข๐——๐—ข๐—ญ๐—” ๐—š๐—˜๐—ญ๐—”๐—ก๐—œ| ๐—˜๐—™๐—” ๐— ๐—œ๐—ฆ๐—ข๐—ž๐—”๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—–๐—˜๐—ก๐—ง๐—ฅ๐—˜ ๐—ข๐—ฃ๐—˜ฬ๐—ฅ๐—”๐—ง๐—œ๐—ข๐—ก๐—ก๐—˜๐—Ÿ ๐——๐—˜ ๐—–๐—ข๐—ข๐—ฅ๐——๐—œ๐—ก๐—”๐—ง๐—œ๐—ข๐—ก ๐——๐—˜๐—ฆ ๐—ข๐—ฃ๐—˜ฬ๐—ฅ๐—”๐—ง๐—œ๐—ข๐—ก๐—ฆ ๐——’๐—จ๐—ฅ๐—š๐—˜๐—ก๐—–๐—˜๐—ฆ ๐—˜๐—ง๐—ข ๐—”๐—ก๐—œ๐—ฉ๐—ข๐—ก’๐—ก๐—ฌ ๐—•๐—ก๐—š๐—ฅ๐—– ๐—ฆ๐—ฌ ๐—ก๐—ฌ ๐—”๐—ก๐—ฌ ๐—”๐— ๐—œ๐—ก’๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—ฅ๐—œ๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—ฆ๐—”๐—ฆ๐—”๐—ก๐—ฌ ๐—ฉ๐—ข๐—”๐—ž๐—”๐—ฆ๐—œ๐—ž๐—” .

๐™ฐ๐š•๐šŠ๐š๐šœ๐š’๐š—๐šŠ๐š’๐š—๐šข 09 ๐™ต๐šŽ๐š‹๐š›๐š˜๐šŠ๐š›๐šข 2026 , ๐™ฑ๐™ฝ๐™ถ๐š๐™ฒ ๐™ฐ๐šŸ๐šŠ๐š๐š›’๐™ฐ๐š—๐š๐šŠ๐š—๐š’๐š–๐š˜๐š›๐šŠ

๐Ÿ”— Mitohy hatrany ny fiomanana manoloana ny mety ho fandalovanโ€™ilay rivodoza GEZANI eto Madagasikara , isan’izany ny fivoriana niarahana taminโ€™ireo Prรฉfets maromaro any amin’ireo Faritra tombanana ho voakasiky ny fandalovan’i GEZANI, izay teo ambany fitarihanโ€™ny BNGRC , mba ho fanamafisana ny fandraisana andraikitra rehetra hiatrehana izao loza mety hitranga izao no antony izany

๐Ÿ”— Nampahafantarina ireo tompon’andraikitra eny ifotony ary ny toe-draharaha ankehitriny mahakasika ny rivodoza GEZANI ary nohamafisina manokana ny fandraisana andraikitra avy eny ifotony, ary ny maha-zava-dehibe ny fandraisana ireo fepetra mialoha sy ny fahavononana hiatrika izany any aminโ€™ireo faritra mety ho voakasika .

๐—ก๐—ผ๐—ต๐—ผ ๐—ถ๐˜‡๐—ฎ๐—ป๐˜† :

๐Ÿ“ŒEfa misokatra ary ireo ยซย Centre Opรฉrationnelย ยป any amin’ireo Faritra sasatsasany ahafahana manao ny fandrindrana ireo hetsika rehetra mialoha sy mandritra ary aorian’ny Loza .

๐Ÿ“ŒNisy ihany koa ny fandraisana fepetra, ny fanentanana ny vahoaka ireo fepetra tsara ho fantatra sy ny fanomanana azy ireo ny mety hisian’ny famindrana olona mialoha raha ilaina izany.

๐ŸšจAraka ny vinavinanโ€™ny Foibe Famantarana ny toetry ny andro , hisy rivotra mahery vaika sy oram-be, ka mety hiteraka tondran-drano ary fihotsahanโ€™ny tany.

๐ŸŽฏ ๐—œ๐—ฟ๐—ฒ๐—ผ ๐—™๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐˜๐—ผ๐—บ๐—ฏ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ต๐—ผ ๐˜ƒ๐—ผ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ๐˜€๐—ถ๐—ธ๐—ฎ

Araka ny vinavina , ireto faritra manaraka ireto no ahiana ho voakasika izany , izay hanaovana fanentanana amin’ny fiomanana sy fandraisana fepetra mialoha:

โ€ข Atsinanana

โ€ข Analamanga

โ€ข Alaotra Mangoro

โ€ข Vakinankaratra

โ€ข Analanjirofo

โ€ข Amoronโ€™i Mania

โ€ข Itasy

โ€ข Betsiboka

โ€ข Bongolava

โ€ข Menabe

โ€ข Vatovavy Fitovinany

โ€ข Sofia

โ€ข Boeny

โ€ข Melaky

โ€ข Haute Matsiatra

โœ… Araka ny tatitra voaray avy aminโ€™ireo Prรฉfet nandritran’ny fivoriana , dia efa vonona tanteraka izy ireo hiatrika ny mety ho fandalovanโ€™ny rivodoza GEZANI ary nanamafy izy ireo fa hanohy ny fanaraha-maso akaiky ny fivoaranโ€™ny toe-draharaha sy hiara-hiasa akaiky aminโ€™ ireo tomponโ€™andraikitra rehetra voakasika, ho fiarovana ny ain’ny olona sy hikarakarana haingana ireo mety ho traboina.

๐Ÿ“ข ๐—™๐—”๐—ก๐—˜๐—ก๐—ง๐—”๐—ก๐—”๐—ก๐—” ๐—›๐—ข ๐—”๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐—ฉ๐—”๐—›๐—ข๐—”๐—ž๐—”

Manentana ny rehetra ny BNGRC mba:

๐Ÿ“hanaraka tsy tapaka ny vaovao ofisialy avoakany,

๐Ÿ“hanaja sy hanaraka ny toromarika omenโ€™ny manam-pahefana eny an-toerana,

๐Ÿ“hiomana mialoha hiarovana ny aina sy ny fananana.

๐Ÿ“ž Raha misy ny filร na vonjy maika, antsoy ny laharana maitso 930, maimaim-poana, misokatra 24 ora amin’ny 24 ora ary isanโ€™andro.