Miseho amin’ny endrika hafa izay miantraika mivantana amin’ny ain’ny vahoaka sy manohintohina ny fiainam-bahoaka indray ireo tranga fanakorontanana ataon’ireo fahavalom-pirenena ankehitriny.
Manoloana izany dia tsy mitazam-potsiny ny Fitondram-panjakana fa mirotsaka an-tsehatra tanteraka miaro ny vahoaka.
Nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay nataon’ireo mpikambana amin’ny OMC National Γ©largi, androany alahady 05 jolay 2026, dia nanamafy izy ireo fa tsy mandefitra amin’ireo mikasa hanakorontana saim-bahoaka sy mamono ny vahoaka ny Fitondram-panjakana ka efa nametraka ny paikady rehetra hiadiana amin’ireo trangana hala-jaza, ny fakana an-keriny sy famonoana ireo olona manana toe-tena varira, ny fanafihana mitam-piadiana.
Entanina manokana ny raiamandreny sy ny mpiara-monina hifanome tanana amin’ny mpitandro filaminana ka hitoroka avy hatrany ireo tranga mampiahiahy eny amin’ny fiaraha-monina.
Azo atao ihany koa ny miantso ny laharana maitso 147 sy ny laharana 038 18 851 43.

