Home > Actus > Mahazoarivo, 07 jolay 2026.

𝘼𝙙𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙩𝙨𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙙𝙧𝙞𝙖𝙢𝙥𝙖𝙝𝙖𝙡𝙚𝙢𝙖𝙣𝙖 : 𝙩𝙨𝙮 𝙝𝙖𝙣𝙙𝙚𝙛𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙣𝙮 𝙋𝙧𝙖𝙞𝙢𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙧𝙖

Manoloana ireo tranga mahatsiravina fangalarana sy famonoana olona miseho amin’izao fotoana izao dia miombom-po tanteraka amin’ny raiamandreny sy mankahery ny vahoaka Malagasy ny Fitondram-panjakana.

Araka ny nambaran’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety natao ny hariva teo dia miatrika ady ny Governemantan’ny Fanavaozana ka tsy handefitra amin’ireo tsy mataho-tody mamono ny zanaka Malagasy.

Misy ny paikady sy fepetra efa noraisina ary manatanteraka izany ireo Minisitra tompon’andraikitra ankehitriny.

Miantso fitoniana ny Praiminisitra ary miantso ny rehetra hifanome tanana amin’ny mpitandro filaminana.