Home > Actus > 𝐁𝐚𝐀𝐚π₯𝐨𝐫𝐞𝐚 πŸπŸŽπŸπŸ” : 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐦𝐞 𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐌𝐒𝐧𝐒𝐬𝐒𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 π…πšπ¦π©π’πšπ§πšπ«πšπ§πš π€π¦π›πšπ«πšπ­π¨π§π πš 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐧𝐲 𝐬𝐲 𝐧𝐲 π…π’π€πšπ«π¨π‘πšπ§πš π€π«πš-𝐭𝐬𝐒𝐚𝐧𝐬𝐚 𝐧𝐲 𝐌𝐒𝐧𝐒𝐬𝐒𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 π€π­π’π­πšπ§π² 𝐬𝐲 𝐧𝐲 π…π’π­π¬π’π§π£πšπ«πšπ¦-𝐩𝐚𝐑𝐞𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐧𝐝𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐒𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐝𝐒𝐧𝐚𝐧𝐚

Miantoka ny filaminan’ny asa fandrindrana rehetra sy ny fiatrehan’ny mpiadina ny fanadinana ny fiarovana mialoha, mandritra ary aorian’ny fanadinana. Izany indrindra no anton’izao fiaraha-miasan’ny Minisitera roa tonta izao izay nohamafisina tamin’ny fifanaraham-piaraha-miasa.

Tontosa androany alakamisy 16 Jolay 2026 teny Fiadanana ny fanaovan-tsonia izany fifanaraham-piaraha-miasa izany teo amin’ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa RAKOTONANDRASANA Hanitra Velonjara Tiaray, sy ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.

Voafaritra ao anatin’ny fifanaraham-piaraha-miasa ireo rafitra sy tompon’andraikitra eny anivon’ny Faritra izay hiara-hisalahy amin’ny fanatanterahana ny fanadinana Bakalorea. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanamafisana ny andraikitra hosahanin’ireo Solotenampanjakana, ny OMC, sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.