Mitohy manerana an’Antananarivo ny fisafoana iarahan’ny Andrimasom-pokonolona sy ny Mpitandro ny Filaminana ao anatin’ny CO-FDS, Task Force Anti-Enlèvement.
« Firaisankina no hery, mitabe tsy lanin’ny mamba. »
Ho fanamafisana ny filaminana sy hiarovana ny vahoaka dia mitohy hatrany amin’izao alina izao ny fisafoana sy ny patrouille iarahan’ny Andrimasom-pokonolona, ny Polisim-pirenena, ny Zandarimariam-pirenena, ny Tafika Malagasy, ary ny vahoaka eny ifotony.
Isan’ireo hanaovana fisafoana amin’izao fotoana izao:
- Fokontany Andohatapenaka (Voalohany, Faharoa ary Fahatelo)
- Rond-Point BMH Isotry
- Fokontany Antohomadinika Sud
- Fokontany Manarintsoa Est
Tsy mijanona amin’ny arabe lehibe ihany ny asa fa tafiditra hatrany amin’ireo elakelan-trano sy toerana rehetra mety hahafahan’ny olon-dratsy miafina, mba hisorohana sy hisakanana mialoha ny asa ratsy.
« Ny fiaraha-mientana sy ny fahavononana iombonana no antoky ny fandriampahalemana maharitra. »



