Home > Actus > π“π„π“πˆπŠπ€π’π€ Β« π“πŽπ”π’ 𝐑𝐄𝐃𝐄𝐕𝐀𝐁𝐋𝐄𝐒 Β» : πŠπ€πŽπŒπˆππˆππ€ πŸπŸ“ 𝐍𝐎 πŒπˆπ’πˆπ“π‘π€πŠπ€ π€π™π˜

Notanterahina omaly alakamisy 30 jolay 2026 teo ambany fitarihan’ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa RAKOTONANDRASANA Hanitra Velonjara Tiaray, niaraka tamin’ny Vondrona Eoropeana sy ny Expertise France, ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa Β« Tous Redevables Β».

Kaominina 15 ao amin’ny Faritra Vakinankaratra, Diana sy Matsiatra ambony, no voafantina amin’ity tetikasa ity ho mpisava lalana ka hampihatra ny fomba fiasa ara-paritra ho an’ny fampandrosoana eny ifotony.

Io fomba fiasa io dia mametraka ny Kaominina, ny olom-boafidy eny ifotony ary ny olom-pirenena ho mpandray anjara fototra amin’ny fampandrosoana ny Kaominina misy azy.

Ny Vondrona Eoropeana no mamatsy vola ny tetikasa ary ny « Expertise FranceΒ Β» no miandraikitra ny fanatanterahana azy. Miara-miasa amin’izy ireo ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana sy ireo rafitra eo ambany fiadidiany, ny Faritra, ny Prefektiora ary ireo Kaominina voakasika.

Ity tetikasa ity dia mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny politikam-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana, ny fanamafisana ny fitantanana eny ifotony ary ny fampiroboroboana ny fampandrosoana mifanaraka amin’ny filΓ na sy ny mampiavaka ny Faritra sy ny Kaominina tsirairay.

CU Diego

CU Antsirabe

CU Fianarantsoa

CR Ambatolampy

CR Behenjy

CR Ambohimandroso

CR Antanifotsy

CR Ambohibary Sambaina

CR Vinaninkarena

CR Talata Ampano

CR Ambalavao

CR Iarintsena

CR Sahambavy

CR Alakamisy Ambohimaha

CR Ankafina Tsarafidy