Nifamotoana teto an-drenivohitra ny faran’ny herinandro teo sy omaly alatsinainy faha 16 janoary 2023 ireo Governora sy Lehiben’ny Fileovana manerana ny Nosy ka tonga niarahaba sy nirary soa noho ny fahatrarana ny taom-baovao 2023.
Nandritra ny fifampiarahabana dia nisy ny fifanakalozam-baovao sy fifanakalozan-kevitra mahakasika ny asa fampandrosoana eny ifotony sy ny fitantanana ny lafitany. Nisy ny toromarika samihafa nomena ireto tompon’andraikitra ireto mba ho fanatsarana ny fitantanana ankapobeny sy ny tolo-draharaham-panjakana eny ifotony.