
Miainga avy eny anivon’ny Kaominina ny fampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana miabo ka hampandraisana andraikitra sy hampizakàna tena ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana araka ny Velirano faha-12 napetraky ny Filoham-pirenena hajaina, Andriamatoa Andry RAJOELINA.
Nohamafisina ny fanentanana ireo Ben’ny Tanàna ireo ny amin’ny tsy maintsy hanaovana ezaka goavana hametrahana izany fitsinjaram-pahefana miabo izany ho fampandrosoana ny kaominina tsirairay.
89 amin’ny 1695 ny isan’ireo Ben’ny Tanàna vehivavy ireo, ary vonona ny hitondra anjara biriky ho fampandrosoana an’i Madagasikara izy ireo.


