Nisy ny fihaonana tamin’ny delegasionan’ny Vondrona Eropeanina izay notarihin’ny Masoivohony eto Madagasikara, Ramatoa Isabelle Delattre Burger, ny talata faha 17 janoary 2023 izay nahafahana nijery sy namaritra amin’ny ankapobeny ireo asa atao laharam-pahamehana amin’ity taona ity. Koa ankoatry ny tantsoroka amin’ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana miabo sy ny fampandrosoana eny ifotony dia vonona ihany koa izy ny hanampy an’i Madagasikara amin’ny fanomanana ny fifidianana ho avy.
Ny Fandaharan’asan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo izay misehatra kosa amin’ny lafiny fanampiana maha-olona dia nanamafy ny fitohizan’ny fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana nandritra ny fitsidihana nataon’ny delegasiona ny andron’ny omaly ihany koa. Ity fiaraha-miasa ity, izay tanterahina amin’ny alalan’ny BNGRC, dia miompana amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eny anivon’ireo faritra voakasik’izany eto amintsika.