Home > Actus > MIRINDRA NY FAMETRAHANA NY FITSINJARAM-PAHEFANA ETO MADAGASIKARA

Nandritra ny resaka nifanaovan’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andry RAJOELINA, tamin’ny vahoaka Malagasy, omaly Alahady faha 16 jolay 2023 dia nisy ny tatitry ny asa vitan’ny Fitondram-panjakana.

Nivoitra tamin’izany ny ezaka rehetra natao amin’ny fametrahana ny Fitsinjaram-pahefana miabo eto Madagasikara. Manaraka fenitra mirindra ny fametrahana izany, ka niantomboka tamin’ny:

fametrahana fotodrafitr’asa maro eny ifotony toy ny biraon’ny Kaominina, Distrika, Prefektora sy Fokontany;

– fampitaovana fiara ho an’ny Distrika, moto ho an’ny Ben’ny Tanàna sy ny Lehiben’ny Boriboritany, fitaovana fanamboaran-dalana isaky ny Faritra;

– fampitomboana ny vola ampiasain’ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ho fampandehanan-draharaha sy hanamboarana fotodrafitr’asa ilain’ny vahoaka.

Ankehitriny dia mitohy izany fametrahana ny Fitsinjaram-pahefana miabo izany tamin’ny alalan’ny fanatanterahana ny vovonana nasionaly ny faha 04 sy faha 05 jolay lasa teo izay nankatoavana ny drafi-pirenena momba ny Fitsinjaram-pahefana miabo (PNDE). Ity farany no tondrozotra ho arahina ary ny Governemanta, amin’ny alalan’ny Ministera rehetra, no hiara-hisalahy amin’ny fanatanterahana ireo asa voarakitra ao.

Izany dingana rehetra izany dia mamaly ny Velirano faha 12 nataon’ny Filoham-pirenena hajaina, Andriamatoa Andry RAJOELINA, dia ny fizakan-tena sy fampandraisana andraikitra ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.

Tsy maintsy apetraka ny Fitsinjaram-pahefana miabo hoy ny Filoham-pirenena, ary nohamafisiny tamin’ny fanaovan-tsonia fanambaram-panekena niaraka tamin’ireo andrim-panjakana, ny mpamatsy vola sy ny Governemanta izany fahavononany hametraka sy hanatanteraka ny drafitra nasionaly momba ny Fitsinjaram-pahefana miabo izany.