Home > Actus > FAMPITAOVANA MOTO IREO LEHIBEN’NY BORIBORITANY AO ANATIN’NY FARITRA SOFIA

✓✓✓ Ho fanatanterahana ny asam-panjakana sy ho fanatsaràna ny tolo-draharaha ho an’ny vahoaka eny ifotony dia nozaraina moto ireo Lehiben’ny Boriboritany miisa 120 ao anatin’ny Faritra SOFIA. Tonga nizara izany tany an-toerana,ny zoma faha 21 jolay 2023, ny Ministry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin.

Ho fankasitrahana ny Fitondram-panjakana n’y amin’izao fampitaovana izao dia nanome toky ireto farany fa hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asam-panjakana iandraiketan’izy ireo.

✓✓✓ Atrikasa famolavolana drafitra ifotony fanajariana ny tany.

Kaominina 14 ao anatin’ny Distrikan’i BEALANANA no hanana drafi-panajariana ny tany aorian’ny atrikasa izay nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly zoma faha 21 jolay 2023 tao amin’ny renivohitry ny Faritra SOFIA. Zava-dehibe amin’ny fampandrosoana ny Kaominina ny fananana drafitra tahaka izao satria mamaritra ireo sori-dalana ho arahina amin’ny fanatanterahana ireo asa fampandrosoana ifotony.

✓✓✓ Hetsika ara-kolotsaina « DONABE »

Nisokatra omaly tao Antsohihy ihany koa ny hetsika koltoraly « DONABE » izay ankalazaina mandritra ny telo andro. Hasongadina ao anatin’ny hetsika ireo kolotsaina sy zava- kanto mampiavaka an’iny Faritra SOFIA iny.