Home > Actus > ๐€๐”๐“๐Ž ร‰๐•๐€๐‹๐”๐€๐“๐ˆ๐Ž๐ ๐ƒ๐„ ๐‹’๐ˆ๐๐ƒ๐ˆ๐‚๐„ ๐ƒ๐„ ๐†๐Ž๐”๐•๐„๐‘๐๐€๐๐‚๐„ ๐‹๐Ž๐‚๐€๐‹๐„

๐ŸŸฉ69 ๐‘ช๐‘ถ๐‘ด๐‘ด๐‘ผ๐‘ต๐‘ฌ๐‘บ – ๐‘น๐‘ฌ๐‘ฎ๐‘ฐ๐‘ถ๐‘ต ๐‘จ๐‘ต๐‘ถ๐‘บ๐’€

Notontosaina eto amin’ny renivohitry ny Faritra Anรดsy mandritra ny roa andro, 28-29 Jolay 2023 ny fanofanana mahakasika ny tombana anatiny tondron’ny fitantanana ifotony na AUTO ร‰VALUATION DE L’INDICE DE GOUVERNANCE LOCALE niarahana tamin’ireo Kaominy 69, Ben’ny Tanร na sy ny ADL ary ireo PR (PARTENAIRES RELAIS), ny mpikambana CROC ato amin’ny Faritra Anรดsy.

๐Ÿ‘‰DISTRIKA TOLAGNARO: Kaominy 29

๐Ÿ‘‰DISTRIKA AMBOASARY : Kaominy 18

๐Ÿ‘‰DISTRIKA BETROKA: Kaominy 22

๐ŸŸกNatao indrindra izao fiofanana izao ho entina hanomezana fahaiza-manao ny Kaominy mahakasika ny Fitondrana tsara tanana ety ifotony ka ahatratrarana ny Velirano faha-12 ny Filoha Andry Nirina RAJOELINA (Fizakan-tena sy Fampandraisan’andraikitra ny Vondrom-paritra itsinjaram-pahefana).

๐ŸŸขNotanterahin’ny Ministeran’ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana (MID) tamin’ny alalan’ny ODDL (Observatoire de la Dรฉcentralisation et du Dรฉveloppement Local) izay notohanan’ny Tetik’asa Mionjo vola izao fiofanana.

๐ŸŸฃHita tao anatin’izany ny fahavononan’ireo Ben’ny Tanร na:

– Hampandray anjara ny vahoaka,

– Hampihatra ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra,

– Hametraka ny fanjakana tandalana ety ifotony,

– Hikaroka ny fahombiazana sy hijery ireo sehatry ny Fampandrosoana eny anivon’ny Kaominy misy azy ireo.