Home > Actus > NY FIOFANANA : MITONDRA NY FIVOARANA HO AN’NY VONDROM-BAHOAKA

Ho tanterahina manerana ny Faritra 23 eto Madagasikara ny fampivondronana ireo Ben’ny Tanàna sy Lehiben’ny Boriboritany ho fampiofanana sy fanamafisam-pahaizana momba ny fitantanana ifotony.

Misantatra izany fiofanana izany, ao Antsohihy, ireo Ben’ny Tanàna sy Lehiben’ny Boriboritany ao anatin’ny Faritra SOFIA ny Alatsinainy faha 07 sy talata faha 08 Aogositra 2023.

Anisan’ny tanjon’ny fampiofanana ny fanatsaràna ny tolo-draharaha ho an’ny vahoaka sy ny fanatsaràna ny fiaraha-miasa eo amin’ny olom-boatendry sy olom-boafidy eny ifotony. Izany rehetra izany dia tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana ny drafi-pirenena momba ny Fitsinjaram-pahefana miabo mba hisian’ny fampandrosoana ifotony.

Misahana mivantana ity fampiofanana ity ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana amin’ny alalan’ny ivo-toerana nasionaly momba ny Fitsinjaram-pahefana sy fampandrosoana ifotony (INDDL).

« Tsy maintsy apetraka ny Fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara » hoy ny Filoham-pirenena, Andry RAJOELINA, ary anisan’ny fanoitry ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny fananana vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana matanjaka ara-bola sy ara-pitantanana.