Home > Actus > OMENA FAHALALANA SY FAMPIOFANANA MITOVY IREO LEHIBEN’NY BORIBORITANY SY BEN’NY TANÀNA MANERANA NY NOSY

Fampiofanana sy fanamafisam-pahaizana ireo Ben’ny Tanàna sy Lehiben’ny Boriboritany rehetra ao anatin’ny Faritra DIANA no tanterahina ao Antsiranana 11sy 12 aogositra 2023. Nanokatra izany amin’ny fomba ofisialy tany an-toerana ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin.

Anisan’ny hevi-dehibe voafaritra ao anatin’ny drafi-pirenena momba ny Fitsinjaram-pahefana miabo ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana eny ifotony sy isam-paritra ary dingana ahatongavana amin’izany izao fampiofanana izao. Omena lanja anatin’izao fampivondronana izao ihany koa ny fifampizaràna traikefa eo amin’ireo mpandray anjara ireo.

Fahaiza-mitantana sy fampandrosoana ifotony no tanjona ary samy hahazo fampiofanana sy fahaiza-manao mitovy ireo Ben’ny Tanàna sy Lehiben’ny Boriboritany rehetra manerana ny Nosy. Izany rehetra izany dia mifandraika amin’ny fanatanterahana ny Velirano faha 12 nataon’ny Filoham-pirenena hajaina, Andriamatoa Andry RAJOELINA dia ny fizakàn-tena sy fampandraisan’andraikitra ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.