Home > Actus > FIZARÀNA FITAOVAM-PIANARANA

Ho fanampiana ny raiamandrenin’ny mpianatra eto anivon’ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana amin’izao fidiran’ny mpianatra izao dia nisy ny fizaràna fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra ny Alatsinainy faha 28 aogositra 2023.

Nitarika izany moa ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin, izay nirary soa ihany koa ho an’ny mpianatra Malagasy rehetra mba hahita fahombiazana sy hitombo fahaizana amam-pahalalana mandritra ity taom-pianarana ity.