Home > Actus > TETIKASA MIONJO : MIROSO HATRANY NY FANATANTERAHANA AZY

Miroso hatrany ny fametrahana ny Fitsinjaram-pahefana miabo eto Madagasikara taorian’ny fankatoavana ny drafi-pirenena momba izany.

Ho an’ny tetikasa Mionjo izay anisan’ny misehatra amin’ny fanaovana tantsoroka ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahafena any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, Androy sy Anosy dia notanterahina ny alakamisy faha 23 novambra 2023 ny fivorian’ny komity nasionaly mpitarika ka nankatoavana ny drafitr’asa mifanaraka amin’ny tetibola ho an’ny taona 2024.

Nitarika izany ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin, izay filohan’ity komity ity.

Nisy ny jery todika momba ireo asa notanterahina tamin’ny alalan’ity tetikasa ity izay « mamaly tokoa ny hetahetam-pampandrosoana an’ireo Faritra telo iasany » hoy ny Governoran’ny Faritra Androy.

Amin’ny taona 2024 dia hotohizana ireo asa sy tantsoroka maro samihafa ataon’ny tetikasa Mionjo eo amin’ny sehatra maro toy ny rano, ny fambolena, ny fiompiana, ny jono, ny tontolo iainana ary indrindra ny fitantanana ifotony.

Singanina amin’izany ny tohana ara-bola, ara-pitaovana sy ara-pitantanana ho an’ireo Kaominina, Distrika sy Faritra, ny fanavaozana ny fantsona fitarihan-drano Mandrare-Sampona, ny tohana maro samihafa mba hisian’ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ny fiarovanana ny tontolo iainana.

Ny tanjon’ity tetikasa Mionjo ity dia ny hananan’ireo Faritra sy Kaominina any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ireo antoka rehetra ahafahany mahaleo tena sy mampandroso ny taniny, ka hampisy izany hoe Fitsinjaram-pahefana miabo sy fampandrosoana ifotony izany.

————————————

LE PROJET MIONJO CONTINUE SON AVANCÉE.

Après la validation du plan national de décentralisation émergente, le processus de mise en place d’une décentralisation émergente à Madagascar suit son cours.

Concernant le projet Mionjo, un projet qui s’attèle à appuyer les collectivités territoriales décentralisées au niveau des Régions Atsimo Andrefana, Androy et Anosy, son plan de travail budgétisé annuel 2024 a été validé par le comité national de pilotage dudit projet le jeudi 23 novembre 2023.

Ledit atelier de validation s’est tenu au Carlton, sous la direction du Ministre de l’Intérieur et de la Décentralisation, Monsieur TOKELY Justin, qui préside ce comité.

La revue des résultats obtenus jusqu’ici permet d’affirmer que « ce projet répond aux attentes de la population des trois Régions concernées », selon le Gouverneur de la Région Androy.

Pour l’année 2024, les activités et appuis vont se poursuivre à travers différents secteurs tels l’agriculture, l’eau, la pêche, l’élevage, l’environnement, mais aussi la gouvernance locale. Il en est ainsi des subventions et appuis aux Communes, Districts et Régions, de la réhabilitation du pipeline Mandrare-Sampona, des actions en faveur de la protection de l’environnement, des appuis pour l’autosuffisance alimentaire.

L’ objectif du projet Mionjo est de fournir toutes les bases aux Régions et Communes afin qu’elles soient indépendantes et autonomes pour conduire les actions de développement de leur territoire, et concrétiser la décentralisation émergente et le développement local.