Home > Actus > KRISMASY 2023 SY TAOM-BAOVAO 2024 : FIOMBONAM-PO AMIN’NY MPIARA-MIASA AMINY NO NASEHON’NY MINISTRY NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA, ANDRIAMATOA TOKELY JUSTIN.

Toy ny mahazatra dia tsy nanadino ny mpiara-miasa aminy ny Minisitra TOKELY Justin amin’izao ankatoky ny fety izao ka nanolotra vary 01 gony, menaka sy akoho isan’olona ny zoma faha 22 desambra 2023. « Amin-kafaliana sy amin’ny fo feno fitiavana no hanolorana izany mba hiatrehan’ny tsirairay ny fetin’ny Krismasy sy ny taom-baovao 2024 ho avy izao » hoy Andriamatoa Minisitra.

Mirary fety sambatra ho an’ny fianakaviam-ben’ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana rehetra manerana ny Nosy sy ho an’ny Malagasy tsy an-kanavaka.