Home > Actus > FIFAMINDRAM-PAHEFANA

Tontosa ny talata faha 16 janoary 2024 ny FIFAMINDRAM-PAHEFANA teo amin’ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana teo aloha Andriamatoa TOKELY Justin, sy ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany vaovao, Andriamatoa ANDRIANTSITOHAINA Naina.

Nandritra ny lahateny fohy nataony no niarahaban’ny Minisitry ny Atitany, Andriamatoa TOKELY Justin, ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany sy nisaorany ny mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny Fitsinjaram-pahefana tamin’ny fiaraha-miasa rehetra nandritra ny nitantanany an’izany lafiny Fitsinjaram-pahefana izany.

Nanome toky ihany koa izy fa hifanome tanana ny Ministera roa tonta amin’ny fampandehanana ny raharaham-panjakana, indrindra amin’ny fametrahana ny Fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara manaraka ny drafi-pirenena momba ny Fitsinjaram-pahefana miabo izay anisan’ny laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana ankehitriny.

Your email address will not be published. Required fields are marked *

*