Home > Actus > πŸπŸ” π’π„ππ“π€πŒππ‘π€ πŸπŸŽπŸπŸ” : π…π€ππŠπ€π‹π€π™π€ππ€ 𝐍𝐘 π€ππƒπ‘πŽπŒ-ππˆπ‘π„ππ„ππ€ π‡πŽ π€πβ€™ππ˜ π…π€π‡πˆπ™πˆπ€ππ€

Zo fototra iantohan’ny LalΓ m-panorenana Malagasy ny fananan’ny olona tsirairay fahiziana ara-dalΓ na. Izany indrindra no mahatonga ny fitondram-panjakana mametraka ho laharam-pahamehana ny fanavaozana ny rafi-piankohonana sy ny fahiziana eto Madagasikara.
Nankalazaina omaly 16 septambra teto Anosy ny androm-pirenena ho an’ny fahiziana araka ny napetraky ny Didim-panjakana laharana faha 2024-067 tamin’ny 23 janoary 2024, ka nitarika izany ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa RAKOTONANDRASANA Hanitra Velonjara Tiaray, notronin’ny Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa Fanirisoa ERNAIVO, sy ireo vahiny manan-kaja maro.
Miantoka ny fisitrahana zo maro samihafa ny fananana fahiziana, izay tsy tokony hisaraka amin’ny tsirairay toy ny aloka, araka ny loha-hevitr’izao fankalazana ny androm-pirenena ho an’ny fahiziana izao hoe : Β« Ny fahiziako, aloka tsy mahasaraka ahy Β».
Nosafidiana araka izany ity andro ity ho fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny andiany faharoa amin’ny hetsika fisoratana anarana biometrika faobe izay mamaly indrindra ny fiantohana ny zon’ny Malagasy tsirairay hanana fahiziana ara-dalΓ na sy voaaro manaraka ny fenitry ny fampiasΓ na ny haitao arakajimirindra, ka hanomezana ny laharana tokana famantarana ny olona tsirairay.
Ny vondrona Banky iraisam-pirenena no mamatsy vola an’ity hetsika « Izaho tokana 2.0Β Β» ity amin’ny alalan’ny tetikasa DECIM.
Notokanana ihany koa ny trano misy ny ivon-toeram-pibaikoana ny momba ny fisoratana anarana biometrika (centre de commandement opΓ©rationnel de l’opΓ©ration d’enrΓ΄lement biomΓ©trique).
Nandritra izao fankalazana izao dia nisy ihany koa ny konferansa natao tao @ Carlton ny talata 15 septambra niarahana tamin’ny Vondrona iraisam-pirenena ho an’ny FrankΓ΄fonia (OIF). Mpisehatra samihafa momba ny fiankohonana sy fahiziana no nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra izay niompana tamin’ny loha-hevitra vitsivitsy. Ny fifampizarΓ na sy fifanakalozan-kevitra natao dia mirona amin’ny fanatsarΓ na bebe kokoa hatrany ny fitantanana ny fahiziana.
Hetsika fanentanana ny tanora momba ny maha-zava-dehibe ny fananana fahiziana, izay natao tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina kosa no namaranana ny fankalazana ho an’ity taona ity.
Mazava ny tanjona napetraka eto Madagasikara hoy Andriamatoa Minisitra, dia ny hahatonga ny fananana fahiziana ara-dalΓ na ho fanavaozana marina sy mivaingana eo amin’ny fiainan’ny tsirairay ka ho tonga fanavaozana ho an’ny firenena.

Your email address will not be published. Required fields are marked *

*