« NY SOLONTENAM-PANJAKANA NO MANENTANA, MANDRINDRA ARY MANARA-MASO NY ASAN’IREO SAMPANDRAHARAHAM-PANJAKANA ANAPARIAHAM-PAHEFANA SAMIHAFA MISY AO ANATIN’NY FARI-PIADIDIANY » (And.17, Lalàna lah. faha 2014-021 tamin’ny 12 septambra 2014 mikasika ny fisoloantenam-panjakana)
Anisan’ny andraikitry ny solontenam-panjakana, izany hoe ny Prefe sy ny Lehiben’ny Distrika, izay faritan’ny Lalàna mazava ny fanentanana, ny fandrindràna ary fanaraha-maso ny asan’ireo sampandraharaham-panjakana ao anatin’ny fari-piadidiany (Services Techniques Déconcentrés).
Miseho amin’ny endrika maro ny fanatanterahany izany andraikitra izany, ka anisan’izany ny fitarihana fivoriana fanao isam-bolana miaraka amin’ireo sampandraharaham-panjakana tekinika anapariaham-pahefana, sy ny fanomezana toromarika samihafa mandritra ny fananganan-tsaina iarahana fanao isam-bolana.
Tamin’ity volana novambra ity dia niompana bebe kokoa tamin’ny ady amin’ny kolikoly ny fanentanana nandritra ny fananganan-tsaina sy fivoriana natao ny alatsinainy 02 novambra manerana an’ireo Distrika sy Prefektiora.
Nisy ihany ny nanatanteraka fivoriana manokana ho an’ireo rantsamangaikan’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ao anatin’ny fari-piadidiany, ka nametrahana lamin’asa mazava iadiana amin’ny kolikoly niaraka tamin’ireo Lehiben’ny Boriboritany sy Ben’ny Tanàna.





