Home > Actus > LES DÉPUTÉS DE MADAGASCAR EN FAVEUR DE LA MISE EN PLACE DE LA NOUVELLE RÉGION DÉNOMMÉE AMBATOSOA (MAROANTSETRA ET MANANARA NORD).

Nandalo fandinihana teo anivon’ny vaomieran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ao amin’ny Antenimieram-pirenena, ny zoma faha 16 jona 2023, ny tolo-dalàna hametrahana ny Faritra AMBATOSOA.
Distrika roa no hiataka amin’ny Faritra ANALANJIROFO ka handrafitra ny Faritra faha 24 eto Madagasikara dia ny Distrikan’i Maroantsetra sy ny Distrikan’i Mananara Avaratra.
Taorian’ny fandinihan’ny vaomiera dia naroso teo anoloan’ny fivoriamben’ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna.
Mahafeno ny fepetra rehetra takian’ny didy aman-dalàna amin’ny fametrahana Faritra amin’ny maha vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana azy ny Faritra AMBATOSOA. Anisan’izany ny fananany foto-drafitrasa sy sampan-draharaham-panjakana eny ifotony, ny fitovian’ny fomba amam-panaon’ny Distrika roa, ny fisian’ny harena sy otrikarena maro samihafa izay ifotoran’ny fahaleovan-tena ara-bolan’ny Faritra.
Tanjona napetraky ny Fitondram-panjakana ny fanatonana ny vahoaka sy ny fizakan-tenan’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana mba ho fampandrosoana ny Faritra.
Taorian’ny famelabelarana dia nankatoavin’ireo Solombavambahoaka ny fananganana ny Faritra AMBATOSOA ka lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana araka izany ny tolo-dalàna mahakasika izany.


LES DÉPUTÉS DE MADAGASCAR EN FAVEUR DE LA MISE EN PLACE DE LA NOUVELLE RÉGION DÉNOMMÉE AMBATOSOA (MAROANTSETRA ET MANANARA NORD).
Le projet de Loi se rapportant à la mise en place de la Région AMBATOSOA a été présenté devant la commission de l’Intérieur et de la Décentralisation auprès de l’Assemblée Nationale ce vendredi 16 juin 2023.
La Région AMBATOSOA regroupe deux Districts, les Districts de Maroantsetra et de Mananara Nord, qui vont ainsi se détacher de la Région ANALANJIROFO pour constituer la 24 ème Région de Madagascar.
La présentation devant la Commission s’est suivie de la présentation du projet de loi en séance plénière devant l’Assemblée nationale.
Il a été soutenu que les conditions de création d’une Région en tant que collectivités territoriales décentralisées sont réunies pour cette nouvelle Région.
Il en est ainsi, entre autres, de l’existence de nombreuses infrastructures, des services techniques déconcentrés, de l’osmose des us et coutumes locales, des richesses et potentialités économiques qui garantissent l’autonomie financière de la Région.
L’ objectif étant de rendre les Collectivités autonomes et responsables de leur développement.
Suite à la présentation, les Députés ont donné leur accord pour la mise en place de la Région AMBATOSOA en votant le projet de Loi s’y rapportant.

Your email address will not be published. Required fields are marked *

*