Home > Actus > Atrikasa fametrahana ny vovonan’ny serasera na SRCA

Toliara, faha 08 desambra 2023

Tontosa ny atrikasa fametrahana ny vovonan’ny serasera sy ny fampandraisana anjara ny fiarahamonina na SRCA eto amin’ny faritra Atsimo Andrefana, izay notanterahina ny 05 hatramin’ny 07 desambra 2023 teo tao amin’ny Amazone Hôtel Toliara.

Ny vovonana dia natao handrindrana sy hanaraha-maso ary hampivondronana ireo mpandray anjara rehetra eto anivon’ny faritra amin’ny fampiroboroboana ny fiovan’ny fiaraha-monina sy ny fitondran-tena eo amin’ny sehatry ny fiarovana sy fanatanterahana ny zon’ny Ankizy.

Sampan-draharaham-panjakana, fikambam-behivavy, fikambanan’ny tanora, fiaraha-monim-pirenena, ONG, mpitondra fivavahana, olobe sy mpitondra ara-drazana, …ireo no mandrafitra ity vovonana izay tarihin’ny Faritra Atsimo Andrefana sy ny Fileovan’i Toliara ity.

fampiroboroboana hatrany ny zon’ny ankizy.