Home > Accueil > Page 3

𝟏𝟏 𝐅𝐄𝐁𝐑𝐎𝐀𝐑𝐘 𝟏𝟗𝟕𝟓 : 𝐋𝐀𝐕𝐎 𝐍𝐘 𝐊𝐎𝐋𝐎𝐍𝐄𝐋𝐘 𝐑𝐈𝐂𝐇𝐀𝐑𝐃 𝐑𝐀𝐓𝐒𝐈𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐀𝐕𝐀

Nomarihina omaly 11 febroary 2025 teo Ambohijatovo ambony ny faha-50 taona nahafatesan’ i Kolonely Richard RATSIMANDARAVA. Nitarika ny lanonana ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa NTSAY Christian, izay nisolo tena ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Nanatrika ny lanonana ny Minisitry ny...

𝗙𝗮𝗻𝗼𝗹𝗼𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗣𝗮𝗶𝗸𝗮𝗱𝗶𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗜𝗮𝗱𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗞𝗼𝗹𝗶𝗸𝗼𝗹𝘆 𝗦𝗡𝗟𝗖𝗖 𝟮𝟬𝟮𝟱 – 𝟮𝟬𝟯𝟬

Antananarivo, 31 Janoary 2025 – Andriamatoa NTSAY Christian Praiministra, Lehiben’ny Governemanta dia nanolotra tamin’ny fomba ofisialy androany ny Paikadim-pirenena Iadiana amin’ny Kolikoly (SNLCC) 2025-2030. 𝗩𝗜𝗡𝗔: « Amin’ny taona 2030 Madagasikara dia ho nosy hanjakan’ny fahitsiana, ka tsy ho sakana...

𝐅𝐀𝐌𝐄𝐓𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐀𝐒𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐀𝐃𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐅𝐈𝐓𝐀𝐍𝐘

Nisy ny fivoriana niarahan’ny Minisitry ny Atitany, Ramatoa Rahajavololoniaina Niritsoa, tamin’ireo Lehiben’ny Fileovana manerana ny Nosy tamin’ity herinandro ity. Izany dia niompana tamin’ny fanaovana tomban’ezaka ankapobeny ny drafitrasa 2024 sy fametrahana ihany koa ny fanamby amin’ny hanatsarana hatrany ny...

𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐏𝐑𝐀𝐈𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐋𝐄𝐇𝐈𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐄𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀𝐑𝐀

Tanteraka androany atoandro teto amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo ny dinikasa teo amin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian sy ireo Lehiben’ny Fileovana manerana ny Faritra rehetra eto Madagasikara, notarihin’ny Minisitry ny Atitany, Ramatoa Rahajavololoniaina Niritsoa Harinandrasana. Teboka telo lehibe no nifanakalozana,...

20 JANOARY 2025

NODIMANDRY ANDROANY ALATSINAINY FAHA 20 JANOARY 2025 NY LEHIBEN’NY DISTRIKAN’IVOHIBE, Itompokolahy RAMANANTOANINA Andriasy, Administrateur Civil en Chef. Ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny Atitany izay tarihin’ny Minisitra Rahajavololoniaina Niritsoa dia miara-miombon’alahelo sy mankahery ny fianakaviany iray manontolo. Mirary fiononana indrindra tompoko.