31 DESAMBRA 2024
Ho harahintsika anio hariva amin’ny 8 ora ao amin’ny Televiziona Malagasy TVM ny lahatenin’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina .
Ho harahintsika anio hariva amin’ny 8 ora ao amin’ny Televiziona Malagasy TVM ny lahatenin’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina .
Ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny Atitany izay tarihin’ny Minisitra Rahajavololoniaina Niritsoa dia miara-miombon’alahelo sy mankahery ny fianakavian’Itompokolahy BOTOBE Jean Didier, Administrateur civil en chef de classe exceptionnelle, amin’izao fahalasany izao. Mirary fiononana indrindra tompoko.
Ho fitsinjovana ny mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny Ministeran’ny Atitany amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely sy taom-baovao izao dia nisy ny fizarana fanampiana ho enti-miatrika izany izay natolotry ny Minisitry ny Atitany, Ramatoa Rahajavololoniaina Niritsoa , androany talata faha 24...
Tontosa soamantsara androany alatsinainy faha 16 desambra 2024, teo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina, ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2024-2025 izay natao tany Andekaleka. Zana-kazo miisa 80 000 no novolena tamin’ny velaran-tany mirefy 50 hektara,...
BNGRC tpSeodrnso0r91ce08é1l 78469thcfm1d5h0ai3cci28fm281 3abc011ge · FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA | 13 Desambra 2024 tamin’ny 04 ora maraina. Nahitana fihenana hatrany ny herin’i CHIDO tato anatin’ny ora enina farany. Nihena ho 185 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 280 Km/ora...
Manohy ny diany miakandrefana amin’ny hafainganam-pandeha 20 Km/ora ilay rivodoza mahery vaika CHIDO. Tamin’ny 03 ora tolak’andro teo dia tany amin’ny 488 Km Atsinanana somary Avaratra Atsinanan’i Antsiranana I no nisy ny foibeny. 210 Km/ora ny rivotra miaraka aminy...
Natolotra amin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny kandida hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifidianana ho Filohan’ny Komision’ny Vondrona Afrikanina, Andriamatoa Richard Randriamandrato. Sambany no hisy teratany malagasy hirotsaka amin’ity andraikitra ity. Izany dia manaporofo ny fandraisan’andraikitr’i Madagasikara...
Tontosa soamantsara tao amin’ny Distrikan’i Mananjary ny 04 sy 05 desambra 2024 ny atrikasa fampiofanana ho fanamafisana ny fahaiza-manao momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza. Betsaka ireo tompon’andraikitra no miara-misalahy amin’ny fiatrehana ny loza sy tandindondoza mety...
Vory lanona eto Madagasikara ireo tompona orinasa goavana sy mpandraharaha eto amin’ny Ranomasimbe Indiana mandray anjara amin’ny andiany voalohan’ny CEO Summit. Tanjona ny hanomezana sehatra azy ireo hifanakolazana hevitra sy hifampizarana traikefa sy fomba amam-panao tsara manoloana ireo fanamby...
Tahaka ny fanao isan-taona dia notanterahana ny 27 novambra 2024 tany Victoria Falls, Zimbabwe, ny fivorian’ireo Ministra misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza avy amin’ireo firenena 16 mandrafitra ny vondrona SADC. Mandray anjara mavitrika amin’ity fivoriana ity...