𝐓𝐞𝐭𝐢𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧-𝐤𝐚𝐳𝐨 𝐢𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚
Entanina isika rehetra mba hanaraka an’ity tetiandron’ny fambolen-kazo ity mba hampahomby ny fambolen-kazo izay ataontsika.
Entanina isika rehetra mba hanaraka an’ity tetiandron’ny fambolen-kazo ity mba hampahomby ny fambolen-kazo izay ataontsika.
Androany alarobia faha 15 janoary 2025 dia nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny 𝑴𝒊𝒏𝒊𝒔𝒊𝒕𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝑨𝒕𝒊𝒕𝒂𝒏𝒚, 𝑹𝒂𝒎𝒂𝒕𝒐𝒂 𝑹𝑨𝑯𝑨𝑱𝑨𝑽𝑶𝑳𝑶𝑳𝑶𝑵𝑰𝑨𝑰𝑵𝑨 𝑵𝒊𝒓𝒊𝒕𝒔𝒐𝒂, ny Masoivohon’ny Firenena indiana miasa eto Madagasikara, Andriamatoa Bandaru Wilsonbabu. Nandritra izany no nifampiarahaban’ny roa tonta noho ny fahatrarana ny taom-baovao....
Ny Fitaleavam-paritra ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana ao DIANA dia nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fanampiana ireo olona niaramboina nandritra ny fandalovan’ny rivodoza DIKELIDI tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Betsiaka. Nifanome tanana niaraka tamin-dRamatoa RAHAJAVOLOLONIAINA Nirintsoa Harinandrasana...
Niarahaba tratry ny taona ny Minisitry ny Atitany, Ramatoa RAHAJAVOLOLONIAINA Niritsoa, ny mpiara-miasa aminy rehetra eto anivon’ny Ministera androany alarobia faha 08 janoary 2025. Nisy ny jery todiky ny asa vita nandritra ny taon-dasa ka nanamafy ny fahavononany ny...
Ho harahintsika anio hariva amin’ny 8 ora ao amin’ny Televiziona Malagasy TVM ny lahatenin’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina .
Ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny Atitany izay tarihin’ny Minisitra Rahajavololoniaina Niritsoa dia miara-miombon’alahelo sy mankahery ny fianakavian’Itompokolahy BOTOBE Jean Didier, Administrateur civil en chef de classe exceptionnelle, amin’izao fahalasany izao. Mirary fiononana indrindra tompoko.
Ho fitsinjovana ny mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny Ministeran’ny Atitany amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely sy taom-baovao izao dia nisy ny fizarana fanampiana ho enti-miatrika izany izay natolotry ny Minisitry ny Atitany, Ramatoa Rahajavololoniaina Niritsoa , androany talata faha 24...
Tontosa soamantsara androany alatsinainy faha 16 desambra 2024, teo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina, ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2024-2025 izay natao tany Andekaleka. Zana-kazo miisa 80 000 no novolena tamin’ny velaran-tany mirefy 50 hektara,...
BNGRC tpSeodrnso0r91ce08é1l 78469thcfm1d5h0ai3cci28fm281 3abc011ge · FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA | 13 Desambra 2024 tamin’ny 04 ora maraina. Nahitana fihenana hatrany ny herin’i CHIDO tato anatin’ny ora enina farany. Nihena ho 185 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 280 Km/ora...
Manohy ny diany miakandrefana amin’ny hafainganam-pandeha 20 Km/ora ilay rivodoza mahery vaika CHIDO. Tamin’ny 03 ora tolak’andro teo dia tany amin’ny 488 Km Atsinanana somary Avaratra Atsinanan’i Antsiranana I no nisy ny foibeny. 210 Km/ora ny rivotra miaraka aminy...